Ny Apôkalipsin' i Nôa na Apôkalipsan' i Nôe na Bokin' i Nôa na Bokin' i Nôe dia boky apôkrifa na pseodepigrafan'ny Testamenta Taloha fantatra fotsiny noho ny tsiahy hita ao amin' ny asa soratra hafa mitovy karazana aminy, dia ny Bokin' i Henôka indindraindrindra sy ny Bokin' ny Jobily ary ny Testamentan' ny Patriarka roa ambin' ny folo. Misy ampaham-boky telo amby roapolo misy ny Sora-tanana tao amin' ny Ranomasina Maty izay mety ho nikambana taminy. Misy anefa ireo manohitra ny fisian' ny Bokin' i Nôa ka mihevitra fa ny andalana ampahatsiahivin' ny boky hafa dia avy amina loharano hafa.
Mahakasika ny toko faha-58 manontolo hatramin' ny faha-69 ao amin' ny Bokin' i Henôka izany. Tamin' izany fotoana izany dia tsy dia nisy boky firy loatra. Raiben' ny raiben' i Nôa i Henôka (na Enôka) ka tsy mahagaga raha nitambatra tamina boky iray ireo boky roa ireo.
Mahakasika ny safodrano sy ny fitsarana farany ny lohahevi-dehibe.
Ity misy sombin-dahatsoratra ao amin' ny Bokin' ny Jobily izay heverina fa nalaina tao amin' ny Apôkalipsin' i Nôa:
"Ary tamin' ny herinandro fahatelon' io jobily io, ireo devoly tsy madio dia nanomboka nampisara-kevitra ny zanaky ny zanakalahin' i Nôa sy nampaniasia ary nanimba azy. Ary ny zanakalahin' i Nôa tonga teo amin' i Nôa rain' izy ireo ary niteny aminy ny amin' ny devoly izay nampisara-kevitra azy, nanajamba sy namono ireo zafikeliny. Ary nivavaka teo anatrehan' ny Tompo Andriamaniny izy ... Ary ny Tompo Andriamanitsika nandidy ny mba hamatorana azy rehetra.
Ary ny lehiben' ireo fanahy, dia i Mastema, tonga ka nilaza hoe: Tompo mpahary, avelao ny sasany mba hitoetra eo aminao ary avelao izy ireo mba handre ny feoko sy hanao izay rehetra hoteneniko aminy, satria raha misy aminy tsy mitoetra ho ahy, tsy ho afaka hanatanteraka ny fahefan' ny sitrapoko amin' ny zanaky ny olombelona, satria momba ny fahasimban-toetra sy ny faniasiavana izy ireo sady eo anatrehan'ny fitsarako, satria lehibe ny haratsiam-panahin' ny zanaky ny olombelona.
Ary hoy izy: Avelao ny ampahafolon' izy ireo hitoetra eo anatrehany sady avelao ny ampahany sivy hidina any amin' ny toeran' ny sazim-panozonana. Ary nandidy ny iray aminy izy mba hianaranay amin' i Nôa ny fitsaboan' izy ireo, satria fantany fa tsy mandeha araka ny fahitsiana na miaritra amin' ny fahamarinana izy ireo. Ary nanao araka ny teniny izahay; nafatotray tao amin' ny fitoeran' ny sazim-panozonana ireo izay misy fanahy ratsy ka navelanay ny ampahafolon' izy ireo mba ho afaka ho mpanompo eo anatrehan' i Satana eny ambonin' ny tany.
Ary nanazava ny fitsaboana ny aretin' izy ireo tamin' i Nôa izy rehetra, miaraka amin' ny herin' ny maizina ampiasainy, sy ny fomba ahafahany manasitrana amin' ny alalan' ny ahitra amin' ny tany. Ary i Nôa nanoratra izany rehetra izany tamin' ny boky araka ny atoro anay momba ny karazam-pitsaboana tsirairay. Ka voasakana (tsy handratra) ny zanak' i Nôa ireo fanahy ratsy. Ary nomeny an' i Sema lahimatoany ny zavatra rehetra nosoratany, satria tiany indrindra mihoatra noho ny zanany rehetra izy. Ary natory niaraka tamin' ireo rainy i Nôa ka nalevina tao amin' ny tendrombohitra Lobara ao amin' ny tanin' i Ararata. Nifarana tamin' ny faha-950 taona, sivy ambin' ny folo jobily sy roa herinandro ary dimy taona."
Miresaka betsaka ny amin' ny fahamarinan' Andriamanitra izay tsy mankasitraka ireo lehibe eto amin' ity tany ity i Nôa. Mpitory ny fahamarinana i Nôa, hoy ilay nanoratra ny Episty faharoan' i Petera:
"4 Fa raha tsy navelan' Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin' ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin' ny fitsarana, [Na: (nafatony tamin' ny gadra fahamaizinana)] 5 ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an' i Nôa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin' ny ratsy fanahy teo amin' izao tontolo izao" (2Pet. 2.4-5).
Fomba ahoana no nahalalan' i Petera an' izany? Tsy misy resaka momba izany anefa ao amin' ny boky kanônikan' ny Testamenta Taloha. Azo heverina fa nahalala izany i Petera satria namaky ny Bokin' i Henôka.
Mety mpamaky boky mampahatsiahy tantara ao amin' ny Apôkalipsin' i Nôa koa ny mpanoratra ny Epistilin' ny Hebreo izay miresaka ny amin' ny fampakarana velona an' i Henôka any an-danitra:
"Finoana no namindrana an' i Enôka tsy hiharan' ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran' Andriamanitra; fa talohan' ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan' Andriamanitra izy." (Heb. 11.5)