Asan' i Petera sy i Andrea

Ny Asan' i Petera sy i Andrea dia lahatsoratra fohy natao tamin' ny taonjato faha-4, izay anisan' ny apôkrifan' ny Testamenta Vaovao, tsy tokony hafangaro amin' ny Asan' i Andrea na amin' ny Asan' i Petera ity lahatsoratra ity. Tsy mahazatra ilay lahatsoratra noho izy toa tsy manohana foto-pampianarana, ary azo inoana fa asa haisoratra fotsiny izy io fa tsy teôlôjia.

Ity lahatsoratra ity, izay voalaza fa nosoratana tamin' ny toeram-pihibohan' ny monka na moanina, dia ahitana andiam-pitantarana fahagagana lava be, toa an' i Andrea mitaingina rahona mankany amin' ny toerana misy an' i Petera, sy i Petera mampiditra rameva amin' ny vodi-fanjaitra, nanova ilay fanoharana mahazatra ("mora kokoa ny hidiran' ny rameva amin' ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran' ny manan-karena amin' ny fanjakan' ny lanitra" – Matio 19:16–30; Marka 10:17–31; Lioka 18:18–30) ho amin' ny heviny ara-bakiteny. Heverina ho toa tohin' ny Asan' i Andrea sy Matiasy ilay lahatsoratra, nefa tsy nitovy ny fielezan' izy ireo, satria tsy dia betsaka ny dikateny natao tamin' ny Asan' i Andrea sy Petera.

Hita ao amin' ny sora-tanam-piraketana maromaro ilay lahatsoratra, ary tsy feno ny sasany. Ny Kôdeksa Oxford, Barroccianus 180, dia nampiasain' i Constantin von Tischendorf tamin' ny fanontana voalohany tamin' ny taona 1866, tao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe  Apocalypses apocryphae[1]. Hita amin' ny ampahany ao amin' ny Kôdeksan' i Vatikana koa izy io, amin' ny teny grika tamin' ny taona 1192, ary ao amin' ny sora-tananam-piraketana amin' ny teny slava, nadikan' i Gottlieb Nathaniel Bonwetsch tamin' ny taona 1882[2]. Farany, nisy amin' ny teny etiôpiana nadikan' i nataon' i Solomon Caesar Malan amin' ny teny anglisy tamin' ny taona 1871[3]. I Maximilien Alfred Bonnet dia nonao fanontana hafa, tamin' ny taona 1898, avy amin' ny sora-tanana isan-karazany[4].

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. I Constantin von Tischendorf dia teôlôjiana prôtestanta, mpikaroka malaza momba ny Testamenta Vaovao tamin' ny taonjato faha-19.
  2. I Gottlieb Nathaniel Bonwetsch dia teôlôjiana prôtestanta alemana izay nanompanany ny asany amin' ny tantaran' ny tenim-pinoana (na dôgma) teo amin' ny Fiangonana Kristiana voalohany.
  3. I Solomon Caesar Malan dia anglikanina, mpandalina ny kolontsaina tatsinanana, namoaka asasoratra maro momba ny Baiboly.
  4. I Maximilien Alfred Bonnet dia mpandalina ny fiteny latina, mpampianatra tamin' ny oniversite frantsay, izay nanao ny fanontana môderina voalohany ny apôkrifan' ny Testamenta Vaovao isan-karazany.