Ny fanandroana hôrôskôpika dia endriky ny fanandroana izay mampiasa hôrôskôpy (tonon' andro), fanehoana an-tsary ny lanitra, ho an' ny fotoana voafaritra tsara hanakarana ny hevitra ao ambadiky ny fifanandrifian' ny planeta sasany mandritra io fotoana io. Ny toerana misy ny planeta amin' ny fari-potoana voatondro mazava dia heverina fa maneho ny toetran' io fari-potoana io ary indrindra fa ny an' ny zava-drehetra teraka tamin' izany fotoana izany, ary ny mpanohana io karazana fanandroana io dia milaza fa azo andinihan-javatra izany amin' ny fampiasana ny tabilao sy ny fitsipika isan-karazany amin' ny fandikana ny famantarana ao anatiny.
Ny iray amin' ny toetra mampiavaka an' io endri-panandroana io amin' ny fanandroana hafa dia ny fanaovana kajy momba ny antoam-piakaran' ny faravodilanitra atsinanana ampitahaina amin' ny ekliptika eo amin' ilay fotoana manokana izay dinihina, fantatra amin' ny anarana hoe "manonga" na "misonga". Amin' ny ankapobeny, ny fanandroana rehetra izay tsy mampiasa ny misonga dia tsy tafiditra ao anatin' ny sokajin' ny fanandroana hôrôskôpika, na dia misy aza ny maningana.
Ny fomba fijery ara-tsiansa ankehitriny momba ny toetoetran' ny zavatra eny amin' ny lanitra dia nanohitra ny fototra anorenana ny fanandroana hôrôskôpika, ary ny fanandroana dia heverina ho anisan' ny siansa sandoka nanomboka tamin' ny taonjato faha-18.