Kabôsy

Kabôsy

Ny kabôsy na kabôsa dia zavamaneno mitovy endrika amin' ny gitara saingy kely. Ny vatan' ny kabôsy tamin' ny voalohany dia voatavo na akoran-tsokatra, na hazo mafy norakofana hoditr' osy sady nanana andrika somary boribory. Taty aoriana dia vita amin' ny hazo na metaly izany. sady mahitsizoro.

Ny tadin' io zavamaneno io dia mety ho taretra, plastika na metaly, ary miovaova arakaraka ny faritra ahitana azy eto Madagasikara ny isany, roa ka hatramin' ny enina any afovoan-tany, fa roa ka hatramin' ny dimy any amin' ny faritra avaratra-andrefana ary telo na efatra any amn'ny faritra atsimo.

Mpitendry kabosy malaza

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Mireille Rakotomalala, "Pratique musicale à Madagascar", Kabaro, revue internationale des Sciences de l’Homme et des Sociétés, 2004, Diversités et spécificités des musiques traditionnelles de l’Océan Indien, II (2-3), pp.67-82. ffhal-03484808f