Mohammed Taha

I Mohammed Taha dia anisan' ny mpanorina ny Hamas. Amin' ny teny arabo io anarany io dia soratana hoe محمد طه‎. Teraka tamin' ny taona 1938 izy ary maty tamin' ny 12 Nôvambra 2014. Nosamborin' ny tafika israeliana (Tsahal) izy tamin' ny taona 2003. Tamin' ny 8 Febroary 2013, taorian' ny 14 volana nigadrana tsy nisy fitsarana, dia navotsotra tao Gaza i Taha. Ny zanany lahy, atao hoe Ayman Taha, dia mpitondra teny sady mpiady ao amin' ny Hamas taloha tao amin' ny Salavantanin' i Gaza. Maty tamin' ny Nôvambra 2014 i Taha rehefa avy naiditra hôpitaly noho ny fitarainan' ny fony.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]