I Russell Marion Nelson Sr. dia mpitondra fivavahana amerikanina ary mpitsabo mpandidy efa misotro ronono izay filoha faha-17 ao amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany sady mbola filohany hatramin' izao (2025). Teraka tamin' ny 9 Septambra 1924 izy. Mpikambana tao amin' ny Kôlejin' ny Apôstôly Roa Ambin' ny Folon' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany i Nelson nandritra ny efa ho 34 taona, ary filohan’ ilay kôlejy nanomboka tamin' ny taona 2015 ka hatramin’ ny 2018. Amin’ ny maha filoham-piangonana azy dia eken’ ny fiangonana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara i Nelson.
Teratany avy any Salt Lake City, Utah, i Nelson, nianatra tao amin’ ny Oniversiten’ i Utah ho an’ ny fianarany abaratonga voalohany sy nianarany ho mpitsabo. Nahazo mari-pahaizana Bachelor of Arts momba ny siansa biôlôjika fototra izy tamin' ny taona 1945, ary nahazo diplôma momba ny fitsaboana tamin' ny taona 1947, tamin' ny faha-22 taonany. Nizatra asa amn' ny fitsaboana (medical residency) izy avy eo ary nahazo Ph.D tao amin' ny Oniversiten' i Minnesota (University of Minnesota), izay naha mpikambana azy tao amin' ny ekipa mpikaroka namolavola ny milina fo-havokavoka (heart-lung machine) izay nanohana ny fandidiana fo misokatra voalohany tamin' ny taona 1951. Taorian’ ny naha mpitsabo azy tao amin' ny Tafika Amerikana nandritra ny Ady tao Kôrea dia niverina tany Salt Lake City i Nelson ary nandray ny maha profesora azy tao amin’ ny Sekolibn' ny Mpitsabon’ ny Oniversiten’ i Utah (University of Utah School of Medicine). Nandany ny 29 taona manaraka izy niasa teo amin' ny sehatry ny fandidiana fo. Lasa mpandidy fo nalaza i Nelson ary filohan’ ny Society for Vascular Surgery sy ny Utah Medical Association.
Nanompo tamin' ny toeran' ny mpitarika laîka tao amin' ny Fiangonan' ny Olomasin' ny Andro Farany nandritra ny naha mpitsabo mpandidy azy i Nelson, nanomboka tao Salt Lake City ary avy eo dia lasa Filohan' ny Sekoly Alahady tao amin' ny Fiangonan' ny Olomasin' ny Andro Farany tamin' ny taona 1971 ka hatramin' ny 1979. Tamin' ny taona 1984 i Nelson sy i Dallin H. Oaks, mpahay lalàna, dia voafidy ho amin' ny toerana banga roa ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roa Ambin' ny Folo.