Ny Sabata ao amin' ny kristianisma dia ny fampidirana ao amin' ny kristianisma ny Sabata, izay andro natokana ho an' ny fialan-tsasatra sy fanompoam-pivavahana, fanao tsy maintsy atao voalaza ao amin' ny Didy Folo mifanaraka amin' ny fitahian' Andriamanitra ny andro fahafito (Asabotsy) izay nanamasina azy, "satria tamin' izany andro izany no nitsaharany tamin' ny zavatra rehetra nohariny tamin' ny nanaovany azy" (Genesisy 2:3). Nampifandraisina tamin’ ny fivorian’ ny olona hivavaka tao amin’ ny sinagôga tamin’ ny andro antsoina hoe Sabata izany fanao izany.
Ny Kristiana voalohany, izay Jiosy indrindra tamin’ ny voalohany, dia nitandrina ny Sabata andro fahafito tamin’ ny alalan' ny vavaka sy ny fialan-tsasatra, fa nivory tamin’ ny andro voalohany, Alahady, ho amin’ ny fanompoam-pivavahana iombonana. Tamin’ ny fiandohan’ ny taonjato faharoa dia nankatoavin’ i Ignatiôsy avy any Antiôkija, izay anisan' ny Rain’ ny Fiangonana, ny tsy fitandremana ny Sabata. Ny fanaon’ ny ankamaroan’ ny Kristianina ankehitriny dia ny mitandrina ny Alahady, antsoina hoe Andron' ny Tompo, fa tsy ny Sabata jiosy andro fahafito ho andro fitsaharana sy fanaovana fanompoam-pivavahana.
Angamba noho ny hetsika natomboky ny Ewostatewos tamin’ ny fiandohan’ ny taonjato faha-14, izay nahazo fankatoavana teo ambany fitarihan’ ny emperora Zara Yaqob, ny Kristiana etiôpiana dia nitandrina Sabata roa andro: ny Asabotsy sy ny Alahady.
Mifanaraka amin’ ny hevitry ny Poritàna tamin’ ny taonjato faha-16 sy faha-17, ny Presbiteriana sy ny Kôngregasiônlista, ary koa ny Metôdista sy ny Batista, dia nanamafy ny fomba fijery sabatariana mitandrina ny andro voalohany (Alahady) ao amin’ ny fiekem-pinoany, ka mitandrina ny Andron’ ny Tompo ho Sabata kristiana. Na dia samy hafa be aza ny fanao eo amin’ ny isam' antokom-pivavahana sy ny isam-piangonana, ny Sabatariana mitandrina ny andro voalohany (Sabatariana mitandrina Alahady) dia ahitana ny fanaovana fotoam-pivavahana maraina sy hariva isaky ny Alahady, ny fandraisana katesezy ao amin’ ny Sekoly Alahady amin’ ny Andron' ny Tompo, ary ny fialana asa fanompoana amin’ ny Andron’ ny Tompo. Ny sasany manana fandikana hentitra kokoa dia nisoroka (na nandrara mihitsy aza) ny asa sasany amin' ny Alahady toy ny fisakafoanana any amin' ny trano fisakafoanana, ny fiantsenana amin' ny Alahady, ny fampiasana fitateram-bahoaka, ny fandraisana anjara amin' ny hetsika ara-panatanjahantena, ny fijerena fahitalavitra na ny fampiasana haino aman-jery; ary na dia ny fampiasana Internet aza. Ny Kristiana sabatariana (na sabatista) mitandrina ny Alahady dia matetika manao asa famindram-po amin’ ny Andron’ ny Tompo, toy ny fitoriana ny Filazantsara sy ny famangiana ny voafonja sy ny marary any amin’ ny hopitaly sy famangiana any amin' ny trano fitaizana be antitra.
Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-17 teo ho eo dia nisy antokona Kristiana restaorasiônista, ny ankamaroany Sabatariana mitandrina ny andro fahafito, no nanangana fiangonana izay nandray ny fivoasana tany am-boalohany ny lalàna, na kristiana na môsaika, izay mampahatsiahy ny Fiangonana kristiana voalohany.