I Désiré Tsarahazana dia kardinaly malagasy ao amin' ny Eglizy Katôlika. Teraka tamin' ny 13 Jona 1954 izy. Efa Arsevekan' i Toamasina hatramin’ ny taona 2010 izy saingy efa nanompo tao nanomboka amin' ny taona 2008 talohan' ny nanandratana azy. Notendren' ny papa Fransoà ho kardinaly izy tamin' ny taona 2018.