Anjeva Gara

Anjeva Gara
Velarantany NC
Isam-ponina 8 279 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Madagasikara
Faritany Antananarivo
Faritra Analamanga

I Anjeva Gara dia kaominina malagasy ao amin' ny distrikan'Antananarivo Avaradrano, faritra Analamanga. Ny isan' ny mponina ao dia 8 279 tamin' ny taona 2018.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

Eo amin' ny 25 km miantsinanana raha miala an' Antananarivo renivohitra no misy ny kaominina Anjeva Gara. Lalan-tany no mihazo azy raha avy ao Ambohimanambola, misy taksiborosy mandeha amin' izany miainga avy eo Ambohijatovo ( Antananarivo Renivohitra). Ary lalana godorao raha avy any Ambohimalaza, misy taksiborosy mandeha amin' izany miainga avy eo Mahazo (Antananarivo Renivohitra).

Toekarena

[hanova | hanova ny fango]

Lalovan' ny zotran-dalamby Antananarivo-Côte Est ny kaominina Anjeva Gara. Ary ny fisian' ny gara ao no nahatonga ny anarana hoe Anjeva Gara. Ahitana ny OIM na Tannerie d'Anjeva izay orinasa mpanodina hoditra. Ny fambolena no iveloman' ny ankamaroan' ny olona ao Anjeva. Anisan' ny mamatsy anana sy legioma ny Faritra Atsinanana ity kaolinina ity. 10 km atsinanan' Anjeva Gara eo amin' ny reniranon' Ikopa no misy ny toby famokarana herinaratra amin' ny rano ao Antelomita izay manana tanjaka 8,4 MW.

Fotodrafitrasa

[hanova | hanova ny fango]

Ahitana EPP sy CEG ny ao Anjeva Gara.

Fitantanana

[hanova | hanova ny fango]

Ahitana ny fokontany folo ny ao amin' ny kaominina Anjeva Gara, dia:

  1. Ambatofolaka
  2. Ambohidrazana
  3. Ampahimasina
  4. Anjeva Gara
  5. Anjeva Tanana
  6. Ankadiefajoro
  7. Imaola
  8. Imerinkasinina
  9. Manohisoa
  10. Morarano faliary

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]