Ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (EKAR) eto Madagasikara dia isan' ny Fiangonana katôlika maneran-tany izay eo ambany fitarihana ara-panahin' ny Papa ao Rôma. Misy mpivavaka maherin' ny 6 000 000 io fiangonana io, izany hoe iray ampahefatry ny mponin' ny Nosy. Misy arsidiôsezy dimy sy diôsezy iraika amby roapolo ny eto Madagasikara. Fivavahana kristiana voalohany eto Madagasikara ny Eglizy Katôlika raha ny habetsahan' ny mpino no jerena. Mampiavaka ny Eglizy Katôlika ny trano fiangonana goavambe izay nalaina tahaka indrindra tamin' ny fiangonana vahiny amin' ny endriny sy ny bikany. Marihina fa misy lakroa avokoa ny eglizy katôlika.
Ny trano fiangonana katôlika tranainy indrindra eto Madagasikara dia ao amin' ny nosy Sainte Marie tokony ho 150 km ao ampita avaratr' i Toamasina.
Ny katôlisisma dia efa nisy nitondra teto amin' ny Nosy hatramin' ny faran' ny taonjato faha-16, sady efa nisy ny nanandrana nanao asa misiôna tamin' ny taona 1540 avy eo tamin' ny nahatongavan' ny Dôminikanina tamin' ny taona 1580 ary ny Zezoita tamin' ny taona 1610. Tsy nahitam-pahombiazana kely izany raha tsy tany amin' ny taona 1642.
Tonga ny moanina (na monka) lazarista tamin' ny taona 1643 ka tamin' ny 1643 no naorin' ny Papa Orbano VIII ny Prefektiora Apôstolikan' i Madagasikara. Nofaranan' izy ireo anefa ny misiônany aty Madagasikara tamin' ny taona 1674 noho ny haratsian' ny toetany sy ny tsy fitiavan' ny mponina azy ireo.
Maro ny misiônera katôlika frantsay nisy namono tamin' ny taona 1674, ary taorian' io dia norarana ny fivavahana katôlika tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-19. Maty martira tamin' ny taona 1832 i Henri de Solages ary heverina fa rain' ny Eglizy Katôlika malagasy izy. Misy toerana fanaovana fivahiniana masina natokana ho azy ny ao Toamasina[1].
Niorina tamin' ny taona 1844 ny Misiôna Zezoita eto Madagasikara (frantsay: Mission Jésuite de Madagascar) ary ny trano fiangonana voalohany dia niorina tamin' ny taona 1857[2]. Tamin' ny taona 1861 dia nanomboka nihamaro ny mpino katôlika teto Madagasikara noho ny nanambaràn-dRadama II ny fahalalahan' ny fivavahana[3].
Lasa zanatanin' i Frantsa i Madagasikara tamin' ny taona 1897 nefa tsy nanohana ny misiôna katôlika i Galliéni (1896-1905) izay tsy nanavakavaka fivavahana, noho izy nampanjaka ny maha fanjakana laîka. Amin' ny ankapobeny anefa dia nahazo vahana ny katôlisisma ka somary sahirana noho ny fanenjehan' ny Zezoita azy ny Prôtestanta, dia ireo Zezoita izay nampifangaro ny raharaha pôlitika sy ny raharaham-pivavahana ka nanao ny Prôtestanta ho sakaizan' ny Britanika sy ho fahavalon' ny Frantsay. Maro ny mpino prôtestanta niala amin' ny fiangonany noho ny tahotra. Tamin' ny nanapahan' ny governora manaja ny maha fanjakana laîka an' i Frantsa vao niverina nalalaka indray ny safidy momba ny fivavahana. Tamin' ny taona 1938 no nahavitana printy ny Baiboly katôlika voalohany amin' ny teny malagasy.
Niroborobo tokoa ny Eglizy Katôlika teto Madagasikara tamin' ny andron' ny fanjanahan-tany na dia teo aza ny fandroahana ny misiônera frantsay. Ny andry niorenany moa dia ramatoa Victoire Rasoamanarivo (1848-1894), vehivavy nahery fo tokoa tamin' ny fijoroana ho vavolombelon' ny finoana. Tsy niasa irery anefa izy fa nampian' i Frera Rafiringa Raphael Louis tamin' izany. Marihina fa izy ireo dia samy nasandratra ho olontsambatra avokoa. Teo ihany koa ny fifaninanana tamin' ny Fiangonana prôtestanta ka tsy mora tamin' ny Katôlika tany amboalohany ny nifikitra tamin' ny fiangonany.
Teo anelanelan' ny taona 1896 sy 1898 ny Eglizy Katôlika no nanomboka nametraka fandaminana, ary tamin' ny taona 1925 dia nisy ny fanosorana pretra teratany malagasy voalohany. Efa nahatratra 100 000 ny mpino katôlika tamin' ny taona 1900. Tamin' ny taona 1939 no voahosotra ny pretra malagasy voalohany, dia i Ignatius Ramarosandratana, izay nohosorana ho eveka tany Rôma, tamin' ny andron' ny Papa Pio XII. Tamin' ny taona 1947 dia novonoin' ny mpitondra pôlitika tamin' izay ny katekista Lucien Botovasoa [4] [5]. Tamin' ny taona 1969 dia nanana ny kardinaliny manokana amin' izay ny Eglizy Katôlika eto Magadasikara, dia tsy iza fa i Jérôme Louis Rakotomalala.
Naorin' ny Papa Joany XXIII ny Nonsiatora Apôstôlika eto Madagasikara tamin' ny 23 Septambra 1960. Nitsangana ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) tamin' ny taona 1980, izay nanery ny Fanjakana malagasy mba hanomboka hampihatra ny demôkrasia amin' izay tamin' ny taona 1991 tamin' ny alalan' ny fihetseham-bahoaka ka ny mpitarika tamin' izany fanovana izany dia ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra.
Namangy an' i Madagasikara ny Papa Joany Paoly II tamin' ny taona 1989 ary ny kardinaly Pietro Parolin, sekreteram-panjakana ao Vatikàna, dia nitsidika an' Antananarivo tamin' ny taona 2017[6]
Tamin' ny taona 2017 dia nitsikera ny fanaovana pôlitika nisy hatrizay teto Madagasikara ny Eglizy Katôlika ka betsaka ny fanafihana nahazo ny toeram-pitokanana sy ny fikambana pretra[7].
Ny solontenan' ny Papa eto Madagasikara, ny Nonsy Apôstôlika, hatramin' ny 13 Avrily 2015, dia ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri[8].
Mitana anjara asa lehibe tokoa ny Eglizy Katôlika, indrindra eo amin' ny lafiny fahasalamana sy fanabeazana eto Madagasikara. Araka ny firaketan' ny Eglizy tamin' ny 2003 dia nisy:
Tamin' ny faran' ny taona 2004 dia izao ny tarehimarika momba ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara:
Tamin' ny taona 2007 ny eto Madagasikara dia nahitana:
Mizara ho arsidiôsezy dimy sy diôsezy roa amby roapolo ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara ka ireto avy izany:
Ireto ny diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' Antananarivo:
Ireto ny diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' Antsiranana:
Ireto ny diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' i Fianarantsoa:
Ireto ny diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' i Toamasina:
Ireto ny diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' i Toliara: