Ny komanga na kominga na kimanga dia karazana hazo ao amin' ny Erythrophleum, izay tsy hita afa-tsy any amin' ny faritra andrefana amin' i Madagasikara, hita ao amin' ny Valan-javaboarin’ ny Helodranon' i Baly. Ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana ny hodiny ary ampiasaina hanaovana fefy ny rantsany. Erythrophléum couminga ny anarany ara-tsiansa.
Izao no lazain' ny Rakibolana Malagasy: "Hazo lehibe mahatratra hatramin' ny 30 m ny halavany, fahita any amin' ny faritany avaratra andrefana ary amin' ny faritra manakaiky ny ranomasina. Ny komanga dia hazo misy poizina mahery amin' ny tenany manontolo, ary na dia ny fofona mivoaka avy amin' ny voniny aza -- izay manitra fa mahery -- dia malady mandray any an-doha ka mahajenjina, mampandoa ary mampandeha ran' orona."[1]
Hazo mihintsan-dravina tsy dia avo loatra ny komanga, mahatratra haavo hatramin' ny 20 m. Misy hodiny marokoroko sy vakivaky ny vatany, ary misy volovolony ny rantsany raha mbola tanora. Kely ny voniny izay sady lahy no vavy ary miloko fotsy. Manaraka azy ireo ny pepany fisaka, mafy, mikirozaroza, manana halava 20 sm sy savaivo 5 sm, misy voa efatra na mihoatra miendrika boribory fisaka toy ny kapila.
Tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ny komanga. Mirefy 400 km faritra misy azy ao amin' ny morontsiraka andrefana amin' ny Nosy, ary mirefy 40 km eo ho eo ny sakan’ izany faritra izany, izay tsy mihoatra ny 600 m ambonin’ ny haabon’ ny ranomasina. Maniry anaty ala mikitroka mifangaro sy amin' ny fatrana misy ala izy io, miaraka amin' ny hazo rofia, amin' ny tany fasehana.
Mateza sy mahatohitra ny fahalovana ny nofon' ny komanga saingy tsy dia ampiasaina afa-tsy amin' ny fanaovana fefy. Poizina ho an' ny omby ny raviny, ary vao mainka misy poizina ny voniny sy ny hodiny. Misy alkalôida diterpenôida ny hodiny. Torotoroina ho lasa vovoka ny hodiny ary ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana amin' ny fatra kely dia kely ho fandiovana kibo. Raha betsaka loatra ny hodiny dia lasa poizina mahery vaika ho an’ ny fo, izay miteraka fahasemporana haingana sy fikorontanana ary fijanonan' ny fo. Matetika miteraka fanapoizinana mahafaty ho an’ ny biby fiompy ny raviny rehefa latsaka ao anaty dobo natao fisotron’ ny biby fiompy. Vokatry ny alkalôida tena mahery ho an’ ny fo ny poizina.
Taloha, ny hodiny dia natao poizina amin' ny fitsarana amin' ny alalan' ny fampinomana, izay fanao mbola nitohy teto Madagasikara hatramin' ny tapaky ny taonjato faha-19, tamin' ny vanimpotoan' ny Fanjakan' Imerina.