Ny Masikoro dia foko malagasy any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara izay mivelona indrindra amin' ny fiompiana sy ny fambolena. Manakaiky ny Vezo izy nefa miavaka amin' izy ireo: hafa tsy tahaka ny an' ny Vezo ny fomba fiainany ary mifamatotra amin' ny Fanjakan' i Fiherenana ny tantarany.
Ny Masikoro dia monina amin' ny faritra manodidina ny alan' ny Mikea, izay fifangaroan' ny alan-javamaniry be tsilo sy ala maina manamorona ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara ao amin' ny Faritanin' i Toliara. Toy ny Vezo sy ny Mikea dia heverina ho anisan' ny vondrom-poko sakalava ny Masikoro; ny mahasamihafa azy dia ny Masikoro monina an-tanety fa ny Vezo amoron-dranomasina ary ny Mikea any anaty ala.
Manodidina ny 90 000 eo ho eo ny isan' ny Masikoro, izay monina indrindra any amin' ny distrikan' i Toliara sy Morombe, miteny amin' ny teny malagasy masikoro, izay fitenim-paritra amin' ny teny malagasy. Nisy fotoana nampisy ny Fanjakana Masikoro izay nanana mpanjaka nitondra ny faritany. Ny Masikoro dia Sakalava ara-poko sahala amin' ny Mikea sy ny Vezo, izay mivarotra ny vokatra nofintanoiny, noharatoiny, norembeny na namboleny any anaty ala. Ny anaran' ny fokom-pianakaviana sasany dia iombonan' ny Masikoro sy ny Mikea. Miisa any amin' ny 90 000 ny Masikoro tany amin' ny taona 2000[1].
Ny teny hoe Masikoro, araka ny hevitry ny olona sasany, dia midika hoe "Ireo manao akanjo zozoro"[2]. Araka an' i Paul Ottino, ny anarana hoe Masikoro dia avy amin' ny teny banto tanzaniana hoe shokora, izay midika hoe "tavy", "hatsaka"[3].
Tamin' ny taonjato faha-16 dia nisy vondron' olona maromaro mpiompy sy mpamboly izay niparitaka tamin' ny faritry ny tanety atsimo amin' i Madagasikara izay niforonan' ny Masikoro. Nitondra ireto anarana ireto ireo vondrona ireo: Ambolavaha, Antambaha, Antandavaka, Tambỳ, Temaro ary Tetembola[4]. Tafapetraka ny Fanjakan' ny Andrevola teo anelanelan' i Onilahy sy i Mangoky tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-17 izay nantsoina hoe Fanjakan' i Fiherenana taty aoriana[5]. Olona samihafa faritra niaviana izy ireo nefa niara-nonina tamin' ny faritra iray. Niady tamin' ny Mahafaly, notarihin' ny mpajakan' ny Maroserana, ny Fanjakan' ny Andrevola tao atsimon' i Onilahy. Tamin' ny taonjato faha-18 dia nikambana ireo fanjakana roa ireo hiatrehana ny fampitahoran' ny Fanjakana Bara avy ao atsinanana. Natosiky ny Bara miankadrefana hatrany amin' ny Lakandranon' i Môzambika ny Masikoro. Tamin' izany no nivakisan' ny fanjakana ho antoko efatra mpifanandrina[6]. I Tompoemana, izay nonina tao Manombo, no mpanjaka masikoro farany.
Araka ny tantara dia teo amin' ny Masikoro no nipetrahan' ny mpanjaka sakalava fa tsy tao amin' ny Vezo, satria nanana fahefana bebe kokoa sy betsaka kokoa ny Masikoro. Zava-dehibe ho an' ny mpanjaka ny nanana lakana azo antoka azo hitaterana, ka raha nisy Masikoro nanimba lakana vezo dia notapahin-doha. Ny Masikoro dia "lava volo olioly, avo sy mivelatra ny handriny, be sy lali-maso, ary lehibe ny vavorona". Mitoto sy mikororoka katsaka isan' andro ny vehivavy, ka mampaniry kitro ny fototry ny ankihibe izany. Mety maharitra herinandro na mihoatra ny fandevenana.
Hatramin' ny fahaleovantenan' i Madagasikara dia kolontsaina tambanivohitra ny kolontsaina masikoro, saingy ankehitriny ny ankamaroan' ny Masikoro dia monina an-tanàn-dehibe, any Toliara, ary misafidy vakin-tanàna sasany.
Mpiompy sy mpamboly ny Masikoro. Miompy omby sy ondry ary osy izy ireo. Mamboly katsaka sy mangahazo ary oviala (fakana tavolo). Talohan' ny fahaleovantenan' i Madagasikara dia nonina ambanivohitra ny Masikoro fa ankehitriny dia maro ireo izay monina an-drenibohitra, indrindra amn' ny vakin-tanàna sasany ao Toliara.
Misy tsena isan-kerinandro any amin' ny tanànan' ny Masikoro izay misy Mikea mivarotra ny vokatra azo avy amin' ny ala toy ny tantely, ny tambotrika, ny vovoka tavolo ary oviala. Mivarotra katsaka sy mangahazo ary vary avy amin' ny sarety any Belo ny Masikoro.
Manana ny fiteniny ny Masikoro: ny fiteny masikoro izay fitenim-paritry ny teny malagasy.
Ny foko eto Madagasikara
Ny vahoaka hafa eto Madagasikara
Samihafa