Mozika malagasy

Malagasy mitendry valiha sy gitara

Ny mozika malagasy dia manan-karena amin' ny fisian' ny singa avy akaiky sy lavitra amin' ny fotoana sy ny amin' ny habaka. Afaka nitahiry ny lova aostrôneziana tranainy avy any Azia Atsimo-Atsinanana (ny Vondronosy Indôneziana), ary koa avy atsy Afrika sy any Ôseania, avy any Arabia sady nadray ka nampifangaro ny gadona vaovao, vao haingana kokoa avy amin' ny fifandraisana amin' i Eorôpa sy i Etazonia.

Sarintanin' i Madagasikara maneho ny faritra ipoiran' ny gadon-kira malagasy tsirairay na ny faritra be mpakafy azy.

Gadon-kira sy dihy malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Any avaratra sy avaratra-andrefana ary andrefana

[hanova | hanova ny fango]

Ny salegy dia mozika sy dihy avy ao Madagasikara izay nipoitra avy amin' ny faritra avaratra sy avaratra andrefan' i Madagsikara.

Ny baoejy na bahoejy dia karazana mozika avy ao Madagasikara. Any avaratr' i Madagasikara, indrindra ny faritra Sofia no tena mampalaza ny baoejy ary efa miparitaka eran' ny nosy. Ny zavamaneno miaraka aminy dia ny angorodao sy ny kabosy ary ny hazolahy. Efa misy koa ny mpanakanto no mitendry baoejy amin' ny gitara.

Dihy nentim-paharazana tsimihety, any amin' ny Faritra Sofia, tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara ny malesa, izay fanao amin' ny lanonana isankarazany. Mandihy miaraka ny lehilahy sy ny vehivavy izay mifampitan-tanana sy samy misikina lambahoany, ka ny vehivavy no eo aloha.

Dihy malagasy mifantoka amin' ny fanetsahana ny fitombenana sy ny andilana ny kaoitry.

Vakisaova na sôva

[hanova | hanova ny fango]

Karazan-tononkira tsimihety miady rima ary mitanisanisa zavatra mitovy amin' ny rôngo sakalava[1].

Any atsimo sy atsimo-andrefana

[hanova | hanova ny fango]

Ny kilalaky dia mozika avy any amin' ny faritra atsimo andrefan' i Madagasikara.

Ny tsapiky dia mozika malagasy avy any amin' ny faritra atsimo-andrefan' i Madagasikara.

Ny beko dia karazan-kira malagasy ataon' ny Mahafaly sy ny Antandroy izay mampiavaka sy iombonan' ny kolontsain' izy ireo. Olona roa na telo indray mihira sady samy manana ny feony no miangaly azy io, amin' ny ankapobeny tsy arahina zavamaneno. Ny tonon' ity karazan' antsa ity dia matetika foronin' ny mpiangaly azy eo no ho eo. Manampin-tsofina amin' ny fanondro ny mpibeko mandritra ny fiantsany. Rehefa mibeko dia manao feo avo ilay mitazona ny feo voalohany sady manao feo somary kentsona sy mangovitra. Tsy misy dihy atao.

Afovoan-tany

[hanova | hanova ny fango]

Zafindraony

[hanova | hanova ny fango]

Ny zafindraony dia karazan-kira malaza any amin' ny faritry ny Betsileoizay voktry ny fiezahan' ny Malagasy hampifangaro ny fomba fihira vazaha sy ny an'ny malagasy, tamin' ny nidiran' ny fivavahana kristiana teto Madagasikara, ka ahenoana olona maro mihira sy mizara feo (feo voalohany, faharoa, fahatelo ary fahefatra). Matetika ny hira fifohazana (ao amin' ireo fiangonana prôtestanta) izy tsy noforonin' ny Vazaha dia hira zafindraony.

Hira gasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny hiragasy na hira gasy dia fampisehoana atrehin' ny vahoaka izay mitovitovy amin'ny tantara tsangana (na teatra) atao an-kira. Ny hiragasy dia fitambaran'ny feon-javamaneno (trômpetra, trômbônina, lokanga, sns) sy hira ary dihy mampiavaka ny kolontsain'ny faritra afovoan-tany eto Madagasikara, indrindra ny Merina. Atao ankalamanjana na anaty efitrano ny fampisehoana. Matetika dia mitafy malabary miloko mena marevaka sy mipataloha ny lehilahy mpanao hiragasy, fa ny vehivavy kosa mitafy lamba sy akanjom-behivavy miloko mavokely na maitso.

Afindrafindrao

[hanova | hanova ny fango]

Avaratra-atsinanana

[hanova | hanova ny fango]

Ny basesa dia karazan-dihy malagasy nentim-paharazana toy ny salegy, any amin' ny faritra misy Betsimisaraka. Dihy an-danonana ny basesa ka toy ny tsy lanonana ny lanonana tsy misy basea eo amin' ny Betsimisaraka.

Atsimo-atsinanana

[hanova | hanova ny fango]
Batrelaka
Mangaliba

Zavamaneno malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Zavamaneno misy tadiny

[hanova | hanova ny fango]
Jejy voatavo
Kabôsy

Ny kabôsy dia zavamaneno malagasy. Mitovy endrika amin' ny gitara ny kabôsy saingy kely.

Lokanga

Ny lokanga dia zavamaneno fahita ao Madagasikara. Ny foko Bara no niavian' ny lokanga. Mitovitovy amin' ny lokangam-bazaha ny lokanga saingy telo ny isan' ny tadiny.

Marovany

Ny marovany dia zavamaneno malagasy mitovy amin' ny valiha nefa lehibe sady misy tadiny maro noho ny valiha.

Valiha

Ny valiha dia zavamaneno malagasy vita amin' ny volontsangana, miendrika varingarina sady misy tadiny maro manaraka ny andavany.

Zavamaneno tsofina

[hanova | hanova ny fango]
Kililioka

Sodina

Ny sodina dia zavamaneno tsofina amin' ny vava, toy ny fantsona mahitsy, misy lavaka milahatra manaraka ny halavany izay tampenana manontolo amin' ny rantsan-tanana afa-tsy ny iray izay avela hivoha mba hivoahan' ny haavompeo tiana ho heno. Amin' ny teny indôneziana dia atao hoe suling ny sodina.

Sosoly

Taralila

Ny taralila dia karazana angorodao fahita any amin' ny faritry ny Betsimisaraka, ao Madagasikara.

Zavamaneno velezina sy ny hafa

[hanova | hanova ny fango]
Ambio

Ny ambio zavamaneno malagasy vita amin' ny hazo mafy roa izay mikarantsana rahefa ampifampikapohina.

Amponga
Atranatrana
Belamaky
Katsa na Faray
Langoraony
Tsikadraha

Ny tsikadraha dia "zavamaneno kasohina izay toy izao: volotsangana misy tonony anankiray no alaina, ka hatreo amin' ny tonony mankany an-kavanana no asiana tetika manodidina ny vatany sahabo ho 5 milimetatra no elanelany; atao didy sompirana iny misy tetika iny mba hanatsara ny feony; tazonin' ny tanana havia izy, fa ny havanana kosa mitana ny fikasoka izay vita amin' ny silaka volotsangana ihany. Hita saika eran-tany ity karazan-javamaneno ity; "caracha" no anarany any Brezilina"[2].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Dihy sy mozika isam-paritra:

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Vakisaova", Régis Rajemisa Raolison, Rakibolana malagasy
  2. "Tsikadraha", Régis Rajemisa Raolison, Rakibolana malagasy