Ny Zafiraminia na Zafindraminia dia vahoaka silamo nonina teto Madagasikara. Niseho teto amin' ny Nosy izy ireo, fara fahakeliny, zato taona talohan' ny Antemoro izay fantatra kokoa; matetika tsy miavaka ny fomban' ireo vahoaka roa tonta ireo. Araka ny lovantsofina dia taranak' i Raminia izy ireo.
Nilaza ny mpitarika ny Zafiraminia maro fa taranaky ny fianakaviana nifindra avy tany Maka (na Lameka) any Arabia Saodita ankehitriny ka hatrany Mangalore[1] ary avy eo nankaty Madagasikara. Na izany aza dia mino ny manam-pahaizana sasany fa mety ho tany Sumatra na tany amin' ny vahoaka bogy[2] any Borneo ny fiaviany. Manohana ny Ny lovantsofina nentim-paharazana hafa koa dia manohana ny fiaviana avy any Sumatra, satria ny hoe Ramini dia toa anaran' i Sumatra tamin' ny Andro Antenatenany. Heverina fa tamin' ny taonjato faha-13 ny Zafiraminia no tonga voalohany teto Madagasikara[3] [4].